Fizarana Kopia tao Tanjombato

Notanterahina tetsy Tanjombato ny fizarana Kopia faobe ho an'olona 600 tao amin'ny Fokontany 5 ao amin'ny Kaominina Tanjombato, distrikan'Antananarivo Atsimondrano. Izao hetsika izao dia niarahana tamin'ny mpiara-miombon'antoka amin'ny Faritra Analamanga dia ny Organisation Internationale de la Francophonie na ny OIF. Nambaran'ny Governoran'Analamanga Hery RasoamaromakaNatao fa natao izao hetsika izao ho famahana olana ireo olona tsy manana izany satria marihana, hoy izy, fa ny fananana Kopia dia tena antoka ho an'ny olona manomboka amin'ny fahazazany izay ahafahany manomboka mianatra ary ho an'ny olon-dehibe mba hananany karapanondro ahafahany miasa sy manefa ny adidiny amin'ny firenena toy ny fifidianana. Nisaorany manokana ihany koa ny OIF amin'ny fiaraha-miasa toy izao. Marihana fa Kaominina maro ato amin'ny Faritra Analamanga no anatanterahana izao hetsika izao ary mbola mitohy hatrany ny fiaraha-miasa miaraka amin'ny OIF izay mpiara-miombon'antoka amin'ny Faritra.

retour